LHM
 
>>>
Lafi-kevitra
 
 

Zarao amin'ny namana (ampidiro ny adiresy e-mail)


Fifandraisana @ mailaka


LUTHERAN HOUR MINISTRIES

Ny Lutheran Hour Ministries (LHM) dia departemanta iray ao amin'ny International Lutheran Laymen's League (ILLL), fikambanana iraisam-pirenena iray izay niorina tany amin'ny fanjakan'i Missouri , Etazonia, tamin'ny taona 1917, ary manana ny Foiben-toerany ao St Louis, renivohitr'io fanjakana io ihany. Ny fikendren'ny LHM dia ny hitory ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana mahazatra antsoina amin'ny teny hoe ‘média'.

Nanomboka tamin'ny taona 1940 dia mivelatra amin'ny firenena maro ny Fikambanana ILLL, ka miisa 40 amin”izao ny firenena misy masoivohon'ny LHM eo an-toerana (sahala amin'ny Feon'ny Filazantsara eto Madagasikara). Nifanindran-dàlana tamin'io fe-potoana io, dia nitombo mian-dàlana koa ny isan'ireo mpikambana ao aminy. Ny mpikambana tsirairay moa dia Kristiana loterana Amerikana, izay resy lahatra fa tokony hotohanana izao asa lehibe izao ka mamatsy vola isam-potoana ny ILLL. Miisa maherin'ny 10,000 izy ireo amin'izao, manerana an'i Etazonia, ary avy amina Synoda Loterana maromaro ny fiaviany.

Araka izany, ny ILLL dia Fikambanana iray izay manana ny maha-izy azy, eo amin'ny lafiny fitantanan-draharaha sy fomba fiasa, ary mijoro ara-dàlana eo anatrehan'ny fanjakana Amerikana. Tsy fehezina Fiangonana na Synoda iray izy.

 

 

Gazety laharana fahasivy - May 2008
Gazety laharana fahavalo - Janoary 2008

 

 

 

 

 
Contact | Téléphone : +261 20 22 210 42| Email : lhmmad@netclub.mg
Bureau : II-V 72 bis Ampandrana - BP 3111 - 101- Antananarivo - MADAGASCAR - -© LHM Madagascar - 2008