Lafi-kevitra

|
Konteksta
Raha ny zava-misy niainantsika nandritra ny taona maro teto amin’ny firenena no asian-teny fohy, ny fivelaran’ny asan’ny Fiangonana amin’ny faritra maro manerana ny nosy dia maneho fa tsy vitsy ireo programa Fitoriana ny Filazantsara (Tafika Masina, Famangiana samihafa, sns.) izay notanterahin’ny ankamaroan’ny Fiangonana. Mandrakariva dia sokajin’olona vitsivitsy no lohalaharana mandeha manao ny asa amin’izany : ny Pastora sy ny Evanjelisitra ary ny Mpiandry. Taona vitsivitsy anefa izay, dia nisy fiovam-penitra goavana teo amin’ny Fiangonana, dia tamin’ny nampatsiahivana sy ny nanentanana ny Fiangonana tsirairay isan-toerana fa ny asa Fitoriana ny Filazantsara dia tena andraikitry ny Kristiana tsirairay, isam-batan’olona tokoa, fa tsy natokana ho an’ireo sokajin’olona vitsivitsy voatanisa eo ambony ihany.
Hita ho manomboka miroso ho amin’izany làlana izany ny Fiangonana maro, ary mahafaly izany.
Na eo aza izany fivelarana arahim-piovam-penitra mahafinaritra izany, dia hita ho misedra olana maro samihafa ny Fiangonana amin’ireo saha vaovao maro iasany; tsy mahagaga izany satria ady amin’ny ‘maizina’ no atrehina; ao anatin’izany dia olana lehibe roa karazana no mandrakariva asongadin’ireo mpandinika ny fiainan’ny Fiangonana :
|
voalohany, matetika dia tsy ampy ny atao hoe ‘fanarahana ny asa’ (antsoina hoe ‘suivi’ amin’ny fiteny Frantsay) |
|
ary faharoa, mbola maro ny sokajin’olona tsy tena resy lahatra ny amin’ny halehiben’ny ‘fitoriana ny Filazantsara mivantana’ ataon’ny Kristiana tsirairay (na inona na inona toerana misy azy eo anivon’ny Fiangonana), ka tsy sahy na marisika handroso amin’izany izy. |
Ireo lafiny roa ireo no azo lazaina ho vato misakana ny hahombiazan’ny tena hivelaran’ny asa marina amin’izao vanin’andro misy antsika izao.
Maniry ny hitondra ny anjaram-birikiny amin’ny famahana ny olana toy izany ny Feon’ny Filazantsara; misy toerana sasantsasany no efa nanombohany nametrahana fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana vitsivitsy ka nahazoany trai-kefa mahafinaritra tamin’izany, nandritra izay dimy taona niorenany izay. Tiany araka izany ny hizara izany trai-kefa izany amin’ny Fiangonana maro indrindra satria mbola betsaka ny ezaka tokony hatao ho fampivelarana marina ny asa Fitoriana ny Filazantsara eto amin’ny firenena.
|
|