|
Ry havana malala ao amin’ny Tompo,
Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika (2 Pet. 1:2)
Ny Feon’ny Filazantsara dia manolotra sahan’asa maromaro azon’ny olona tsirairay isam-batan’olona na koa ivon-toerana samihafa (Fiangonana, Sampana, Sekoly, sns.) hisafidianana handraisana anjara. Anisan’izany ny Kilasy Fianarana Baiboly ara-Pifandraisana (KFBP) na Cours Biblique par Correspondance sy ny Fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana amin’ny sehatr’asa toy ny Tafika Masina, ny famangiana Hopitaly sy Fonja, sns. Amin’ireo sahan’asa roa ireo dia ny Baiboly no fitaovana ilaina indrindra, na ho an’ny mpianatra na ho an’ireo olona vangiana ka hitoriana ny Filazantsara.
Iarahantsika mahalala anefa ny toe-javatra misy any ambanivohitra any, dia ny tsy fahampian’ny fahefa-mividy intsony; ny ankamaroan’ny fianakaviana Malagasy ankehitriny dia tsy mahavidy intsony na dia Baiboly iray aza (10.000 Ariary). Voamarikay fa maro koa anefa ireo mangetaheta ny hianatra ny Tenin’Andriamanitra ka maniry ny hanaraka io Cours Biblique par Correspondance izay atolotry ny Feon’ny Filazantsara io. Ny tsy fananana Baiboly dia tena manakana mihitsy ny olona iray hanaraka ny fianarana. Alaintsika ohatra ny eny amin’ny Fonjan’Antanimora eto Antananarivo izao dia Baiboly iray no ampiasain’ny mpianatra 30, ka tena sahirana izy ireo. Toy izany koa no hita amin’ny Fiangonana any ivelan’Antananarivo, dia maro ireo Kristiana no mitaraina ny amin’ny tsy fananany Baiboly, nefa tena maniry hanaraka io Fianarana Soratra Masina io. Azonao an-tsaina amin’izany koa ny fahasahiranan’ireo namantsika manatanteraka famangiana eny amin’ny Hopitaly raha tsy misy Baiboly azony ampiasaina na amidy eny am-pelatanany.
Efa manao araka izay azo atao ihany ny Feon’ny Filazantsara mamatsy Baiboly ireo sehatra tena mila izany kanefa dia tsy ampy mandrakariva ny ho enti-manana eo am-pelatanany. Ny ampahany betsaka amin’ny teti-bola izay iasanay mantsy dia natokana ho amin’ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny sy hividianana ireo fitaovana maharitra maro samihafa entina hanantanterahana ny asa ihany; ny fampitaovana Baiboly fanampiny araka izay resahana eto dia heverin’ireo havantsika mpamatsy vola avy any ivelany fa tokony anjarantsika eto an-toerana.
Izany no manery ny Feon’ny Filazantsara hanao izao fangatahana fanampiana Baiboly sy Fihirana izao amin’ireo izay malalatanana sy izay tsara sitrapo, ka mahatsiaro fa tokony hotohanana ny asa. Antsoina hoe ‘Mpanohana ny Feon’ny Filazantsara’ ireo olona ireo. Tsiahivina fa izao Antso izao dia efa natomboky ny Feon’ny Filazantsara manomboka tamin’ny 2003 (Jereo Tovana miaraka amin’ity, indrindra ny Gazety ‘Akon’ny Feon’ny Filazantsara’ laharana faharoa) . Azonareo atao ny manome Baiboly (vaovao na koa efa nampiasaina), na koa manolotra vola aty aminay, dia izahay no mikarakara ny fividianana ny boky (Mahazo fihenam-bidy 10% ny Feon’ny Filazantsara ao amin’ny FMBM).
Maniry indrindra ny hiara-miasa aminareo izahay, raha sitrakareo, amin’ireo Asa fitoriana ny Filazantsara ireo.
Azafady mba avereno aty amin’ny Foiben’ny Feon’ny Filazantsara ny Tapakila izay ampiarahanay amin’ity, rehefa avy nofenoinao, miaraka amin’ny Fanomezanao. Hisy rosia sy taratasy fisaorana atolotra anao ary ho raiketina an-tsoratra ka ho hitanao ao amin’ny Siteweb : www.filazantsara.org (milazà mialoha raha tsy te-hitonona anarana ianao, kanefa ny maribola dia ho voamarika ao ihany)
Mangataka koa ny fanohanana am-bavaka ny asa izahay, indrindra izao fangatahana fampitaovana Baiboly sy Fihirana izao, mba ho fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra eto amin’ny firenentsika, ka hihamaro hatrany ireo Malagasy handray an’i Jesosy Tompo amin’ny fiainany, ary hitombo sy handroso amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra.
Eto am-pamaranana, dia maneho fisaorana mialoha anareo amin’izay rehetra azonareo hatao izahay, fa zava-dehibe eo anatrehan’Andriamanitra ny fandraisanareo anjara amin’izany.
Raiso ny haja ambony atolotray anareo amin’ny anaran’i Jesosy. Ho voninahitr’ Andriamanitra Irery ihany!
|