Fianarana Baiboly
 
>>>
Lafi-kevitra
 
 

Zarao amin'ny namana (ampidiro ny adiresy e-mail)


Fifandraisana @ mailaka

 

Ny FEON'NY FILAZANTSARA (FF) dia faly manolotra anao izao Kilasy Fianarana Baiboly izao amin'ny alalan'ity Site Web ity; hevero ho toy ny fitaovana iray izay afaka hanampy anao hamaly ny fanirianao hahalala bebe kokoa ny Soratra Masina izy ity.

Amin'ny ankapobeny raha fintinina dia manodidina ny fototry ny Finoana Kristiana no votoatin'ny Fampianarana izay atolotra anao eto.

Antony telo lehibe no fikendren'izao Fampianarana izao :

•  voalohany, ny hitondra ho anao fampahafantarana amin'ny antsipiriany ny amin'ny tena Finoana Kristiana, ka hitomboanao sy hivelomanao amin'izany.

•  faharoa, ny hamporisika anao hizara izany finoana izany amin'ny manodidina anao ary ny hidiranao amin'ny lalindalina kokoa hatrany amin'ny asa fanompoana izay iantsoan'ny Tompo ny Kristiana tsirairay ao amin'ny Fiangonana.

•  ary fahatelo farany, mifanindran-dalana amin'izany, dia ny hamporisika anao hamaky sy handinika hatrany ny Tenin'Andriamanitra, dia ny Baiboly, izay mitondra fiainana ho an'izay rehetra mandray azy.

Koa dia tsy misalasala izahay mamporisika anao hanaraka izao Kilasy Fianarana Baiboly izao mba hahafantaranao marina izay hinoanao, sy ny FItiavan'Andriamanitra ao amin'I Jesosy Kristy Tompo.

Lesona roapolo (20) no mandrafitra ny Fampianarana, voatsinjara ao anatina Ambaratonga efatra.

Bebe kokoa

Ireo Lesona ireo, izay halefa tsirairay sy mian-dalana any aminao, no mirakitra ny Fampianarana izay atolotra anao; arahina Adina isaky ny Lesona izany, izay angatahina haverinao aty aminay rehefa avy novalianao.


Isaky ny Ambaratongam-pianarana vitanao, dia hisy Taratasy fanamarinana atolotra anao. Hisy Sertifika ankapobe kosa atolotra anao rehefa vita soa aman-tsara hatramin'ny farany ny Fianarana.

 

Gazety laharana fahasivy - May 2008
Gazety laharana fahavalo - Janoary 2008

 

 

 

 

 
Contact | Téléphone : +261 20 22 210 42| Email : lhmmad@netclub.mg
Bureau : II-V 72 bis Ampandrana - BP 3111 - 101- Antananarivo - MADAGASCAR - -© LHM Madagascar - 2008