Tantara fijoroana vavolombelona
 
>>>
 
 
 
 

 
Mpiara-miasa an-tsitrapo amin’ny Feon’ny Filazantsara ny tenako, miandraikitra Kilasy Fianarana Baiboly ara-Pifandraisana, ary 50 no isan’ny mpianatra amin’izany. Amin’ny maha mpandraraha (irakiraka) amin’ny Fiangonana FJKM ahy (15 Km miala ny renivohitra) dia be ny andraikitra sahaniko nefa dia toa vao maika aza nazoto hatrany aho nandrindra ny fakana sy ny fananterana ireo leson’ny mpianatra any amin’ny Foibe F. F. Tsy nitsahatra nanentana ny manodidina ahy aho hianatra Baiboly satria ao no ahitana ilay tena FIFALIANA ANATY . Tsapako na dia somary sahirankirana aza aho eo amin’ny ara-pivelomana dia manana fanantenana foana satria manana ny Tompo. Miezaka mizara izany amin’ny hafa aho satria tiako ho toy izany ny rehetra. Hoy aho matetika amin’ny vadiko rehefa sendra mimenomenona iny izy : « mahaiza manome fifaliana ».

Nanampy be ahy teo amin’ny fifaneraserako, indrindra ny fifandraisako (communication) tamin’ny olona koa ny andraikitro amin’ny maha « volontaire » , taloha dia olona tena saro-kenatra aho, afaka tanteraka anefa izany ary lasa nahafaly ahy aza ny manambara an’i Kristy. Rehefa misy tsy mazava amin’ ireo mpianatra ny lesona dia manampy aho na dia mbola tsy tomombana tsara aza ny fahalalako ny tenin’Andriamanitra satria mbola eo an-dalàm-pianarana koa aho .

Indray andro, nisy namaky ny toerana iasako, very tamin’izany avokoa ireo fitaovana maro momba ny fanamafisam-peo lafo vidy. Ny nahagaga dia ny trano tsy vaky satria hain’ireo mpangalatra tokoa ny namaha ny varavara-kely vy ( grille de protection) . Tsy afa-niala aho satria tompon’andraikitra. Nanazava tamin’ny ireo manam-pahefana nanao ny fanadihadiana ny tenako fa tsy nangalatra, sarotra anefa ny ninoan’izy ireo izany satria tsy nisy ny porofo mazava.. Nivavaka mafy andro aman’alina aho teo anoloan’izany , nangataka tamin’ny Tompo ny hiasany sy hanehoany ny voninahiny satria Tompon’ny hery sy ny fahefana izy. Natoky tanteraka aho fa hamonjy ahy Izy ary tao anatiko foana ilay fiadanan’ny Tompo nampitony sy nampahery ahy.

Akory tokoa ny hagagako fa afaka fotoana fohy monja dia niverina indray ireo mpangalatra nikasa haka zavatra hafa.. Izaho moa efa niomana hatrany sao mbola miverina izy ireo. Nampandre haingana ny tompon’andraikitra aho ary dia noraisim-potsiny izy ireo.
Lehibe tokoa ny hafaliako satria : « Jehovah tokoa no niady fa izaho nangiana ».Afaka soa aman-tsara tamin’ny fiapangana ahy aho.

Raha tsy nanana ny Tompo tokoa re aho dia nanao ahoana e !

Jean Louis R



 
Contact | Téléphone : +261 20 22 210 42| Email : lhmmad@netclub.mg
Bureau : II-V 72 bis Ampandrana - BP 3111 - 101- Antananarivo - MADAGASCAR - -© LHM Madagascar - 2008