Horonan-tsarimihetsika
 
>>>
Lafi-kevitra
 
 

Zarao amin'ny namana (ampidiro ny adiresy e-mail)


Fifandraisana @ mailaka

Ny FF dia manolotra horonan-tsarimihetsika, izay mikendry indrindra ny hanampy mba hampahomby ny asa Fitoriana ny Filazantsara.

Azo ampiasaina amin'ny sehatra samihafa eo @ asa Fitoriana ny Filazantsara izany fitaovana izany ary ny lohahevitra entiny dia mahakasika ny fiainana andavan'andro toy ny : krismasy, paska, fifandraisana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka, fiatrehana fotoantsarotra manokana eo amin'ny fiainana (aretina, sns.......).

Ny tanjona amin'izany dia ho fampieritreretana ny olona tsirairay fa misy hafatra entin'Andriamanitra hampitodihana amin'ny Fitiavany ny toe-javatra samihafa mitranga eo amin'ny fiainana.

Natao h anampy sy hitarika ny Kristiana tsirairay koa hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny lafin-javatra izay hatrehany, ka tarafina amin'izay ambaran'ny Baiboly, ho fampiorenana hatrany ny finoany.

Misy lohateny 13 ireo horonantsary atolotra anao, izay amin'ny fiteny frantsay; ny iray amin'ireo no efa voadika amin'ny fiteny malagasy. K7 na VCD na DVD no karazana misy azy ireo.

Bebe kokoa ( momba ny lisitr'ireo)

Azo vidiana : raha toa ka te-hanana ho anao manokana ianao

Hofaina: raha toa ka te-hampiasa izany amin'ny fotoana voafetra ianao

Mety ho maimaimpoana : hoan'ny Fiangonana (na sampana ao aminy), na koa sehatra hafa hitoriana ny Filazantsara ka hanatanterahana Film-Débat.

 


Gazety laharana fahafolo - Oktobra 2008
Gazety laharana fahasivy - May 2008
Gazety laharana fahavalo - Janoary 2008

 

 

 

 

 
Contact | Téléphone : +261 20 22 210 42| Email : lhmmad@netclub.mg
Bureau : II-V 72 bis Ampandrana - BP 3111 - 101- Antananarivo - MADAGASCAR - -© LHM Madagascar - 2008