Tantara fijoroana vavolombelona
 
>>>
 

 

« Eo amin'ny Fiangonana no hiderako Anao” Sal 22: 22

Manambady aman-janaka aho ary dimy mianadahy izy ireo.

Fotoana nipetrahanay tany Ambohimahasoa no nahariarian'Andriamanitra tamiko ny “antsony”. Ny taona 1998 mantsy dia nanam-paniriana hanao Pastora aho saingy toa nofinofy ihany izany ary nampisento ahy tokoa satria noheveriko fa olona havanam-pianarana ambony vao mahazo manao Pastora. Izaho mantsy nijanona teo amin'ny Kilasy famaranana na “Terminale”.

Taona 1999 no nananako fifandraisana voalohany tamin'ny Feon'ny Filazantsara (FF) nandritra ny fampiratiana ireo sehatr'asa izay atolony ho amin'ny asa Fitoriana tany amin'ny Isan-taonan'ny Toby Lehibe Soatanana . Nangetaheta mafy ny hianatra Soratra Masina aho koa dia nanao ny “Cours Biblique par correspondance”ary nirotsaka ho isan'ny mpiara-miasa an-tsitrapo na « Volontaire » hiandraikitra ireo mpianatra manaraka ny fampianarana tany amin'ny faritra Ambohimahasoa. Nahasaritka mpianatra maro tokoa izany. Mpivarotra ny asako tamin'izany fotoana izany ary

nandalo fotoan-tsarotra ny tokantranonay ny taona 2000 satria tsy nety ny tsena ka niteraka fantiantoka lehibe. Teo anatrehan'izany dia nitamberina tao an-tsaiko ny faniriako na ny nofinofiko ny ho lasa Pastora. Marihina fa ny vadiko dia efa Teolojiana 10 taona talohako. Nanatona ny Raiamandreny Pastora teo an-toerana aho ary ny teniny dia hoe: “Antso io ka anjaranao ny miheritreritra.

Mbola nidonan-javatra mafy aho io taona 2000 io ihany satria raha nitondra hazo iray kamiao ho any Toliara dia tratry ny mpangalatra ka very tsy hita ilay kamiao. Volana vitsivitsy taorian'izany dia narary ny zanako roalahy…..ny vola anefa teo am-pelan-tànana tsy nisy, ny varotra tsy nandeha. Nandalo fitsapana lehibe ny tenako sy ny ankohonako, ary fantatro fa nisy làlana tian'Andriamanitra hampahafantarina ahy eo anatrehan'ireo fisehoan-javatra rehetra ireo.

Taona 2001 volana Aogositra dia tapa-kevitra ny hanao fanadinana hiditra amin'ny Seminera Teolojikam –Paritany Loterana (S.T.P.L) any Ambatofinandrahana aho. Talohan'izany anefa dia nangataka vaha-olana tamin'ny Feon'ny Filazantsara aho satria ny fianarana dia mila mahay fiteny vahiny nefa izaho tsy mahay frantsay fa ny anglisy toe ho eo ihany. Ny valiny azoko dia hoe: “Raha sitrapon'Andriamanitra dia ho tanteraka ny fanirianao nefa aza kivy raha toa ka tsy afaka. Mivavaka ho anao izahay aty amin'ny Feon'ny Filazantsara”.

Afaka iray volana monja dia nivaly ny fanadinana ary afaka soa aman-tsara aho.

Nanohy ny fianarako Baiboly ara-pifandraisana hatrany ny tenako satria nanampy ahy tokoa tamin'ny fandalinako ny Tenin'Andriamanitra ny lesona.

Taona 2004 dia tapaka ny fifandraisako tamin'ny FF noho ny fifindran'ny Foibe toerana ka nampisy fikorotanana teo amin'ny fikirakirana ny solosaina izay mirakitra ny momba ny mpianatra sy ny fianarany.

Taona 2005 dia vita soa aman-tsara ny fianarako tao amin'ny S.T.P.L koa nivoaka ho Pastora aho.

Ity taona 2008 ity, ny volana may dia akory ny hafaliako satria nitohy indray ny fifandraisako tamin'ny FF tamin'ny alalan'ny Fampiofanana hoan'ireo Fiangonana mpiara-miasa fito ao anatin'ny Fileovan'Ambatofinandrahana, Synodam-Paritany Afovoany eo amin'ny sehatry ny Tafika Masina. Anisan'ny Fiangonana voaasa handray anjara tamin'izany seminera fampiofanana izany mantsy ny Fiangonana iandraiketako. Vokatr'izany dia mitohy indray ny fiaraha-miasanay sy ny FF koa nanamafy ny firotsahanay ho “Volontaire” hiasahana ny KFBP any amin'ny fariatra iasanay indray izahay mivady.

Ho azy irery ihany anie ny Voninahitra.

“ He, sambatra aho Jeso raha miaraka Aminao “Fih FFPM: 471

Notezaina ary mbola miana sy mivelona ary miasa hatrany eo amin'ny sehatry ny fiainana kristiana ny tenako sy ny ankohonako.

Tsapako ary tena hitako fa tena tsara tokoa ny miaraka amin'I Jesosy Kristy tsy miato eo amin'ny fiaina manontolo ary mino aho fa eo akaikiko mandrakariva tokoa Izy.

Na dia efa misotro ronono amin'ny asam-panjakana izay nanendrena ahy aza aho dia manana andraikitra maro eo anivon'ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina. Anisan'izany ny maha loholona ahy izay isaorako an'Andriamanitra lehibe tokoa ny nanomezany izany toerana sy anaran-tsarobidy izany.

Mbola manohy mianatra sy mandinika ny Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Kilasy Fianarana Baiboly izay atolotry ny Feon'ny Filazantsarany tenako. Manome fifaliana lehibe ho ahy izany satria mitombo hatrany ny fahalalako ny Tenin'Andriamanitra sy ny zava-baovao entiny eo amin'ny fitaizany ny fianam-panahiko ka ahafahako mizara sy mitory amin'ny manodidina ahy.

Tena fifaliana ho ahy tokoa ny manokana fotoana hianarako, ary indrindra handinihako ny Tenin'Andriamanitra, ny manatitra sy maka ny lesona any amin'ny Foibe Feon'ny Filazantsara ary indrindra koa ny mihaona amim-pitsikitsikiana amin'ireo mpiandraikitra izany fampianarana izany. Izay hisaorako azy ireo manokana satria fotoana koa ahafahanay mifampizara sy mifampahery eo amin'ny fanarahana ny Tompo.

Tena mihoatra lavitra noho ireo zavatra ataoko sy sahaniko eo amin'ny fiainako ny fiheverako sy ny fikarakarako ny Asan'Andiamanitra satria mitondra fitsaharana, herin-tsaina, herim-batana ary indrindra indrindra herim-panahy ho ahy mandrakariva. Manome fahendrena ary fanambinana ho ahy sy ny ankohonako ny fanarahako sy ny fankatoavako izany Tenin'Andriamanitra.

Misaotra Azy manrakariva aho ary mifona amin'izay rehetra hataoko ka tsy mifanaraka amin'ny sitrapony .

Ho Azy irery ihany anie ny Dera sy ny Haja ary ny Voninahitra mandrakizay

RASOARIMALALA Zoë



 
Contact | Téléphone : +261 20 22 210 42| Email : lhmmad@netclub.mg
Bureau : II-V 72 bis Ampandrana - BP 3111 - 101- Antananarivo - MADAGASCAR - -© LHM Madagascar - 2008