Laharana fahavalo - Janoary 2008

 

FIVORIAN'NY “VOLONTAIRES” SY IREO MPIANATRA NAHAVITA KFBP, faritra Antananarivo sy ny manodidina .

"Mifandray mivantana ny FF sy ny “Volontaires "

Ho fanatsarana sy fampivelarana hatrany ny asa Fitoriana dia nisy fiofanana fohy sy fizarana traikefa niraisan'ireo « Volontaires » izay miandraikitra ny asa Fitoriana isan-toerana sy ireo mpianatra nahavita fianarana Kilasy Fianarana Baiboly ara-Pifandraisana (KFBP) taona 2006/2007 ny 17/10/07, teto amin'ny Foiben-toeran'ny FF Ampandrana Bel-Air. Niisa 58 ireo tonga namaly ny antso. Fiofanana izay niompana indrindra amin'ny tarigetran'ny Feon'ny Filazantsara dia ny hitarika ny olona ho ao amin'ny Fiangonana ka ho isan'ireo mpandray anjara mavitrika eo amin'ny asa fanompoana ao amin'ny Fiangonana. Izany dia mahakasika indrindra ireo sehatrasa : KFBP, Horonan-tarimihetsika arahina ady fifanakalozan-kevitra, ary ny Literatiora Kristiana. Taorian'izany dia nampahafantarina fa mitohy ha-trany ny fiaraha-miasa misy eo amin'ny FLM sy ny FF (araka ny voalaza etsy ambony). Koa azo atao tsara ny fanohizana ny KFBP izay niandraiketan'ireo “Volontaires” eo anivon'ny Fiangonana, amin'ny alalan'ny fifandraisan'ny mpianatra mivantana amin'ny FF.

Ny Tale ANDRIANASOLO Jaona nanentana ireo "Volontaires" sy ireo mpianatra nahavita ny fianarana KFBP hirotsaka bebe kokoa amin'ny asa fitoriana

MIVERINA