Laharana fahavalo - Janoary 2008

 

FIFANINANANA KRISMASY 2007

Fiaraha-miasan'ny FF sy ireo Fokontany 7 manodidina.

“Jesosy, Ilay Mazava, Marina, tonga amin'izao tontolo izao Jaona 1:9 no teny nanorenana ny Fifaninanana Krismasy 2007. Niavaka tsy toy ny fanao isan-taona iny indray mitoraka iny satria nampifanakaiky kokoa ny mponina sy ny FF, ka tamin'ireo Fokontany 7 manodidina ny Foibe no nisantarana izany, izay teo ambany fanohanan'ny Radio Fahazavana sy ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy.

Ny fizotry ny fifaninanana

“Volontaires” maromaro nizara ho ekipa 7 no nandondona isam-bara-varana tany anatin'ireo Fokon-tany manodidina, nizara ny tapakila fan-draisana anjara ho an'ny sokajy ankizy sy olon-dehibe, ny 14 sy 15 Desambra 2007. Ny 24 Desambra kosa no fetra farany namerenana ny valiny. Ny 27 Desambra 2007 no natao ny fanisana ny tapakila voaray. Ary ny 3, 4, 5 Janoary 2008 no notanterahina ny fitsaràna sy ny fan-daminana samihafa hamantarana ireo mpandray anjara 32 (isan-tsokajy) mendrika tamin'ny dingana voalo-hany sady hiatrika ny dingana faharoa izay adina am-bava na “Radio crochet”. Ny Radio Fahazavana no nandray an-tànana ny fanan-totosana ny dingana famaranana teto amin'ny Foibe FF ny 12 Janoary ary nalefa tao amin'io Onjam-peo io ihany tao anatin'ny Fandaharana “Fantaro ny Baiboly” ny 13 Janoary 2008. Marihina fa ny famoahana ny valin'ny fifaninanana dia teo ambany fanaraha-maso sy fanamarinan'ny Vaditany Rtoa Andriamihaja Lala ka niisa 485 ny ankizy nandray anjara ary 313 no isan'ny olon-dehibe.

Fizarana loka

Ny Alarobia 09 Janoary 2008 no natolotra ireo mpifaninana 64 men-drika avy amin'ny sokajy olon-dehibe sy ankizy ny loka tandrify azy ireo tsirairay avy, tamin'ny Dingana vo-alohany. Nomena safidy malalaka izy ireo ny amin'izay loka tiany, na fotsimbary amin'ny kitapo na lelavola. Nentina namaranana ny Dingana Faharoa, Adina am-bava izay notontosaina ny Sabotsy 12 Janoary kosa ny fizarana ny loka ho an'ireo vondrona roa isan-tsokajy avy mendrika nandritra izany fotoana izany, ka Rtoa RAZAFINDRAVONY Seraphine sy Rtoa FANJAMALALA Blandine no voa-lohany tamin'ny sokajy olon-dehibe; ary RAKOTOARIMANANA Mialy, sy ANDRIAMIAFARA Mamy Sitra-kiniaina tamin'ny sokajy ankizy, izay samy notolorana ny lelavola tandrify azy ireo avy.

Ireo mpandray anjara tafita tamin'ny dingana famaranana

MIVERINA