Hafatra Tarigetran'ny Feon'ny Filazantsara ny hiroboroboan'ny fiaraha-miasa amin'-ny Fiangonana. Tianay noho izany ny mamela hafatra aminareo tompon'andraikitra amin'ny Fiangonana dia ny Pastora sy Katekista ary Loholona mba tsy hisalasala mifanoratra raha misy fanirianareo hanasa ny Feon'ny Filazantsara hanatrika fivoriam-piangonana toy ny Isan-Taonan'ny Sy-noda, Zaikabe, Fihaonambe, Isan-Taonan'ny Toby, sns. Dingana voalohany mantsy io hahazoan'ny FF mampahafantatra amin'ny Fiangonana isan-toerana ireo fitaovana sy fiaraha-miasa izay azon'ny roa tonta hatsangana. Tsara soritina moa fa mety dia mety raha mba tonga telo volana mialoha aty amin'ny FF ny fanasana. Ny amin'ity taona 2008 ity, dia efa ao anaty programa ny Isan-Taonan'ny Tobilehibe Soatanana.
|