FIARAHA-MIASA FLM / FF Nampisy resaka be tato anatin'ny roa taona izao ny fiaraha-miasa eo amin'ny FLM sy ny FF. Rehefa nanapaka mantsy ny KMSL-116 tao Betroka (Novambra 2006) fa ajanona ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan'ny FLM amin'ny Missouri Synod, Fiangonana Loterana Amerikana iray any Etazonia, dia maro tamin'ireo mpitondra Fiangonana FLM no nihevitra fa midika avy hatrany ho fanapahana ny fiaraha-miasan'ny FLM sy ny FF izany. Noheverin'izy ireo mantsy fa ny Lutheran Hour Ministries (ny foiben'ny FF any Etazonia) dia eo ambany fifehezan'ny Missouri Synod. Fikambanana Iraisam-pirenena mahaleo-tena anefa ny LHM, manana ny fomba fiasany manokana ary afaka miara-miasa malalaka amin'ny Fiangonana Loterana amin'ny firenena izay mandray azy izy. Tsy hafa noho izany no nitranga teto Madagasikara. Fifanekem-piaraha-miasa mazava, izay nosoniavin'ny Foiben'ny FLM tamin'ny 28 Oktobra 1999, no nahazoan'ny LHM niditra teto Madagasikara, ary tsy mbola nisy fanapaha-kevitry ny KMSL nanapaka io Fifa-nekena io. Taratasy nalefan'ny Tonian'ny FLM tamin' ireo Prezidan'ny Synodam-paritany 20 manerana ny nosy no mbola manantitra izany (Septambra 2007). Ny fantatra hatramin'izao aloha dia nanangana Vaomiera iray ny KMSL-117 izay nivory tao Fianarantsoa (Mey 2007) mba handinika akaiky izany fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta izany, raha toa ka misy fanavaozana tokony hatao, mifanaraka amin'ny rafitry ny FLM. Hatolotra ny KMSL-119 izay hivory any Ihosy (Mey 2008) ny vokatry ny asan'io Vaomiera io, mba handraisany fanapaha-kevitra. Dia miandry izay havoakan'io KMSL io isika izany amin'izao. Nambaran'ny Tonian'ny FLM teo am-pamaranana ny taratasiny fa mandra-pahatongan'io fo-toana io, dia mbola mitohy toy ny teo aloha ihany ny fiaraha-miasan'ny roa tonta. Dia mivavaka no ataontsika eo am-piandrasana izany.
|