KILASY FIANARANA BAIBOLY ANY AN-TOKANTRANO (Cours Biblique par Correspondance) Hovelarina bebe kokoa ny fifaneraserana amin'ny mpianatra: Raha tsiahivina fohy dia valo taona izao no nitsanganan'ny Feon'ny Filazantsara (FF) teto Madagasikara. Fanevan'ny FF ny hitarika ireo olona hitoriana ny Filazantsara ho ao amin'ny Fiangonana ary ny hanao izay hahatamana tsara azy ireo ao. Ny Kilasy Fianarana Baiboly , fitaovam-pifandraisana, izay antsoina koa hoe: “media” no ahafantaran'ny maro ny FF, ary io no entiny mitory ny Filazantsara eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Manomboka izao dia misy fanatsarana maromaro hatao mba ho fiasana tena mahomby amin'ny asa Fitoriana ny Filazantsara. Anisan'izany ny hampivelarana bebe kokoa ny fifaneraserana na fifandraisana an-taratasy amin'ireo mpianatra. Hojerena manokana ireo mpianatra izay mety ho tsy manana Fiangonana, na mety ho manana ihany, saingy efa fe-potoana maharitra no tsy nandehanany tany intsony noho ny antony maro samihafa izay tsy ary hovoatanisa eto. Maro koa ireo mpianatra no mijanona rehefa nahavita ny Ambaratonga voalohany, dia mila famporisihana izy ireo hanohy ny Fianarana, mba hahazoany feno ny votoatin'ny finoana Kristiana, ka hitombo sy ho velona amin'izany izy. Ary farany, amporisihana miandalana ireo mpia-natra mba hiditra amin'ny lalindalina kokoa hatrany amin'ny asa fanom-poana izay iantsoan'ny Tompo ny Kristiana tsirairay eo amin'ny Fiangonana. Ary tsy hijanona hatreo fotsiny fa tena hazoto hizara koa ny Tenin'Andriamanitra sy hitory ny Fitiavan'i Jesosy Kristy no sady afaka hitarika ny hafa izay mbola any ivelan'ny vala ho ao amin'ny Fiangonana. Antenaina ary fa hisy vokatra mahafinaritra avy amin'izany fanatsarana izany! Mitombo hatrany ny isan'ireo mpianatra manerana ny nosy: Efa mihoatra ny roa alina (20,000) ny isan'ireo mpianatra nisoratra anarana hanaraka ity Cours Biblique ity, raha dimanjato sy enina arivo sy iray alina (16,500) izany tamin'ny taona 2007 ary vao tato anatin'ny volana vitsivitsy no nisian'izany. Efa misy koa mantsy fanarahana ity Kilasy ity amin'ny tambazotra (Internet) amin'ny adiresy www.filazantsara.org. Isaorana be dia be an'Andriamanitra izany. Izy irery ihany no omem-boninahitra amin'ny fivelaran'ny asa. Manomboka mihamaro koa ireo mpianatra avy amin'ny Fiangonana FJKM, taorian'ny fanatonana Mpitandrina FJKM maromaro eto Antananarivo sy ny manodidina. Fomba maro samihafa koa no entin'ny FF amin'izao fotoana izao mba hampahafantatra ny olona maro indrindra ny fisian'ity fitaovana ity ka hitarika azy hianatra toy ny banderoles, ny filazana amin'ny onjam-peo ka miisa enina ireo Station Radio no miara-miasa amin'ny FF mandritra ny telo volana . Fikendrena amin'ny taona 2009 moa dia ny hisian'ny mpianatra vaovao miisa dimy alina (5,000) hanatevin-daharana ireo izay efa manaraka ny Kilasy.
|