Laharana fahafolo - Oktobra 2008

 

FIARAHA-MIOMBON'ANTOKA FIANGONANA / FF

Tsiahivina fohy (jereo ny Gazety Akon'ny FF, laharana faha-9, Mey 2008) fa Fiangonana mpiara-miasa vaovao miisa 21ao anatina Fileovana telo (TanambaoVerrerie-SPTo, Moramanga-SPAl, ary Ambatofinandrahana-SPAf) no manatanteraka programan'asa fitoriana ny Filazantsara isan-toerana ankehitriny taorian'ireo fampiofanana
'Fampitaovana ny olona masina' izay nokarakarain'ny FF ho azy ireo tamin'ny taom-piasana 2007/08. Herintaona eo ho eo ny faharetan'ny fiaraha-miasa. Fiangonana vitsivitsy avy ao amin'ny Fileovana Verrerie sy Ambatofinandrahana no nahazoana tatitra hatramin'izao : miisa 185 ireo olona izay nanatona ny Fiangonana vokatry ny asa Fitoriana, 30 kosa ireo Kristiana izay niverina amin'ny Fiangonana na natao Batisa ary 9 amin'ireo hatramin'izao no hita fa miditra amin'ny lalindalina ka mandray andraikitra mivantana amin'ny asafanompoana ao amin'ny Fiangonana. Eo am-piandrasana ny tatitra avy amin'ireo Fiangonana mpiara-miasa hafa isika amin'izao, izay antenaina fa ho tonga tsy ho ela, no sady manomana ihany koa ny programa amin'ity taom-piasana 2008/09 ity. Hatramin'izao aloha dia ny fiaraha-miombon'antoka
amin'ny Fileovana Ambanja-SPA no azo antoka fa hanomboka amin'ny volana Desambra 2008. Loholona miisa 35 avy amina Fiangonana miisa 7 no handray fampiofanana mialoha izany ny 26-28 Novambra 2008, izay hatao ao amin'ny FLM Ambanja ihany.

MIVERINA