FIARAHA-MIOMBON'ANTOKA FIANGONANA / FF Araka ny efa fantatry ny maro dia fiaraha-miombon'antoka (na ‘partenariat') eo amin'ny Fiangonana iray sy ny FF no endrika isehoan'ny fiaraha-miasan'ny FLM sy ny FF noresahina tetsy ambony, rehefa ampiharina any amin'ny faritra iray ny fiaraha-miasan'ny roa tonta amin'ny asa fitoriana ny Filazantsara. Fiangonana mpiara-miasa vaovao miisa 21 no nanaiky hiara-miasa amin'ny FF amin'izao; Fitandremana miisa 12 ao anatina Fileovana telo no misy azy ireo. Toy ny fanao hatramin'izay dia Seminera Fampiofanana Kristiana antsoina hoe ‘Fampitaovana ny olona masina' no nanombohana ny fiaraha-miasa. Ny Seminera voalohany izay nandra-isan'ny Kristiana miisa 26 avy amina Fiangonana 7 ao amin'ny Fileovana Verrerie (SPTo) anjara dia natao tao Moramanga ny 20-22 Febroary 2008 lasa teo: ‘Maro ny Fileovana ato amin'-ny Synodam-Paritany Toamasina, saingy notahian'Andriamanitra manokana ity Fileovana Tanambao Verrerie ity', hoy indrindra Pastora Falimanana Mpitondra Fileovana raha nandray fitenenana nisaotra sy namarana ny Seminera izy. Nanatrika teo ihany koa Past Rajaonarison Arivony avy ao Maromamy, Brickaville. Ny Seminera faharoa kosa dia notontosaina ny 14-16 Martsa 2008 lasa teo tao Moramanga ihany. Kristiana miisa 22 avy amina Fiangonana 7 ao amin'ny Fileovana Moramanga (SPAl) no nandray ny Fampiofanana. Nitarikany fotoana Pastora Ferdinand Manamaro, Mpitondra Fileovana, notronin'ireoPastora Rakotondravao Samuel sy Andriamanantenasoa Louis Philippe.Ny Seminera fahatelo farany dia nahakasika Kristiana miisa 35 eo ho eo, avy amina Fiangonana 7 ao amin'ny Fileovana Ambatofinandrahana, ary tao amin'ny renim-pileovana rahateo no nanaovana azy ny 5-7 Mey 2008 lasa teo. Tonga avokoa ireo mpandray anjara notarihin'ireo Raiamandreny Pastora Mpitondra Fitandremana isanisany dia: Pastora Rabemananjara Herison (Mpitondra Fileovana Amba-tofinandrahana), Pastora Andriamanantena Simon, Pastora Rafidimalala Apollinaire, Pastora Rakotonirina Jean Bienvenu, Pastora Andrianjafimahefa Berthin Elysée, Pastora Razanamampionona Manandraibe. Amin'ny ankapobeny dia haharitra herintaona ny fiaraha-miasa amin'ireo Fiangonana 21 vaovao ireo.
Ireo mpiofana rehetra tao Ambatofinandrahana
|