KILASY FIANARANA BAIBOLY ANY AN-TOKANTRANO (Cours Biblique par Correspondance) Valin'antso Tao anatin'ny telo volana izay dia nampiasa "banderoles" sy filazana amin'ny onjam-peo-na "Stations Radio" enina eto an-drenivohitra ny FF (anisan'izany ny Radiom-pirenena) ho fampahafantarana misimisy kokoa ny KFBP amin'ny besinimaro. Mahafaly ny valin'antso satria maro no liana hianatra ny Tenin'Andriamanitra. Saiky olona dimy ambinifolo isan'andro no misoratra anarana. Na tonga manatona ny Foibe eto Antananarivo, na miantso an-tariby, na manoratra avy any amin'ny Faritra samihafa any izy ireo amin'izany. Mbola hitohy hatramin'ny volana Desambra 08 izany fampahafantarana izany. Asa fitoriana ny Filazantsara amin'ny voafonja - "Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy" - "Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy" (Jaona 6:37b). Niato kely volana vitsivitsy izay ny fandaharan' asa KFBP eo anivon'ireo voafonja eny amin' ny Fonjaben'Antanimora, teo ampiandrasana ny fandaminana ankapobeny vaovao izay vao napetraky ny Fanjakana tsy ela izay. Misaotra an'Andriamanitra fa nanomboka ny alakamisy 03 aprily 2008 lasa teo dia afaka notohizana indray ny asa. Kendrena amin'izany ny hanatonan- ny voafonja an'i Jesosy Kristy sy hametrahany ny enta-mavesany eo an-tanan'Andriamanitra. Mahatratra sivy folo (90) eo ho eo izao ireo voafonja manaraka ny KFBP. Mba hahazoan'izy ireo mianatra sy mandinika ny Soratra Masina, dia nomena Baiboly maimaim-poana isaky ny 'quartier' (ho an'ny lehilahy, sy ho an'ny vehivavy) fonenan'izy ireo. Mpiara-miasa an-tsitrapo amin'ny FF (antsoina hoe 'Volontaires') dimy no misahana ny fanatanterahana ny asa eo an-toerana. Mizara ho ekipa roa izy ireo amin'izany, miandraikitra ny 'quartier' tsirairay avy. Mba hahazoan'ny mpianatra ny fitaizam-panahy tandrify sy ilainy, dia tarihina hatrany izy ireo hanatona Fiangonana (ireo izay miray ao amin'ny FFKM, indrindra indrindra ny FLM araka izay azo amporisihana azy) izay mikarakara rahateo fotoam-pivavahana isam-potoana ao amin'ny Fonja.
|