Laharana fahasivy - May 2008

 

FAMANGIAN'NY Dr MENKIR ESAYAS

Ny volana Febroary lasa teo dia tonga namangy ny Feon'ny Filazantsara teto madagasikara i Dr Menkir Esayas. Izy no Conseiller Regional ny Faritra Afrika avy any amin'ny Foiben'ny FF any Etazonia. Nandritry ny fitsidihany dia nihaona tamin'ireo mpiara-miasa eto amin'ny Foibe FF izy nijery sy nadinika izay fomba hanatsarana ny asa. Hery lehibe hoan'ny mpiara-miasa eto amin'ny FF ny dinidinika sy ny toro-hevitra nentiny nandritry ny fihaonana. Nisy koa ny fihaonany tamin'ireo Raiamandreny Pastora FLM vitsivitsy teto amin'ny Synodam-paritanin'Antananarivo, sy ny Talen'ny Radio Feon'ny Filazantsara ao Antsirabe izay niompana indrindra tamin'ny fiaraha-miasa izay azo atsangana .

MIVERINA