Laharana fahafolo - Oktobra 2008

 

SYNODA LEHIBE - MORONDAVA (3-12 Sept 2008)

Nasaina nandray anjara tamin'ny Fampisehoana mivelatra nandritra ny Synoda Lehiben' ny FLM farany teo tany Morondava ny FF. Tanjona tamin'izany moa ny hampahafantatra bebe kokoa ny FF sy ireo sehatr'asa izay atolony amin'ireo mambran'ny SL manerana ny nosy. Nahafinaritra tokoa ireo 'contacts' maro izay azo natao. Ny hita soritra fa hisy vokatra mazava dia ny dinidinika natao niaraka tamin'ny SP Antsiranana (jereo eo ambony) sy ny SaLoMa-SP Ambovombe Androy, izay nanasa ny FF handray anjara amin'ny Fampiofanana ireo Mpampianatra Sekoly Alahady ao amin'ny Synoda, hatao ny 6-9 Novambra 2008 ao amin'ny FLM Ambovombe, Androy.

MIVERINA