ISAN-TAONAN'NYTOBILEHIBE SOATANANA (14-18 Sept 2008) Ny Fotoan-dehibe tany Soatanana indray no natrehin'ny FF tamin'ity taona ity. Nahafinaritra ihany koa ny dia satria fararanon'ny Tenin'Andriamanitra ny fotoampifohazana toy ireny. Ho famaliana ny hetahetan'ireo tompon'andraikitra teo an-toerana, dia nanangana 'stand' ny FF, toy ireo sampan'asan'ny Fiangonana tonga nanatrika tany, ary niezaka nampahafantatra ireo Kristiana sy Raiamandrenim-piangonana izay tonga nanatona, ireo sehatr'asa Fitoriana ny Filazantsara izay atolotry ny FF. Etsy andaniny, dia nahazoana nihaona tamin'ireo solontenan'ny Fiangonana mpiara-miasa (Fileovana Ambatofinandrahana) sy ireo 'Volontaires' ary ireo mpianatra KFBP, nandinihana sy nijerena akaiky ny olana natrehin' ny tsirairay ka nitondrana fanatsarana ho amin'ny ho avy.
|