Fiarahabana
 
>>>
Lafi-kevitra
 
 

Zarao amin'ny namana (ampidiro ny adiresy e-mail)


Fifandraisana @ mailaka

Feon'ny Filazantsara

Na Kristiana ianao na tsy mbola, dia fifaliana ho anay ny mandray anao eto amin'ny Site Web ny Feon'ny Filazantsara (FF), izay tsy Fiangonana akory fa sampan'asa ihany. Ny fikendrenay dia ny hitondra ny anjara birikinay amin'ny fanambarana ny hafatry ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy.

Ny tena fanirianay dia ny handrenesanao sy hanekenao ny asam-pamonjena izay notanterahin'i Jesosy teo ambonin'ny hazofijaliana. Ireto fitaovam-pifandraisana (na ‘média') vitsivitsy ireto no ampiasainay amin'izany: kilasy Baiboly (cours biblique par correspondence), literatiora (bokikely/trakitra) sy horonan-tsarimihetsika kristiana samihafa. Misokatra ho anao ireo ‘média' ireo.

Ankoatr'izany, dia miara-miasa amin'ny Fiangonana izay liana amin'izany koa ny FF, ao anatina fiaraha-miombon'antoka (partenariat), mikendry indrindra ny hampivelatra ny asa Fitoriana ny Filazantsara isan-toerana.

 

Ny FF dia masoivohon'ny Lutheran Hour Ministries (LHM), St Louis , Missouri , Etazonia. Ny Malagasy sy ny Frantsay no fitenim-pirenena ampiasainy.

Bebe kokoa mikasika ny LHM

KILASY FIANARANA BAIBOLY ANY AN-TOKANTRANO

Manomboka izao dia misy fanatsarana maromaro hatao mba ho fiasana tena mahomby amin'ny asa Fitoriana ny Filazantsara. Anisan'izany ny hampivelarana bebe kokoa ny fifaneraserana na fifandraisana an-taratasy amin'ireo mpianatra.

Bebe kokoa

 

Gazety laharana fahasivy - May 2008
Gazety laharana fahavalo - Janoary 2008

 

 

 

 

 
Contact | Téléphone : +261 20 22 210 42| Email : lhmmad@netclub.mg
Bureau : II-V 72 bis Ampandrana - BP 3111 - 101- Antananarivo - MADAGASCAR - -© LHM Madagascar - 2008