Izahay ato amin'ny "FEON'NY FILAZANTSARA" dia faly mandray anao ho mpianatra hanaraka izao KILASY FIANARANA BAIBOLY ARA-PIFANDRAISANA (na " COURS BIBLIQUE PAR CORRESPONDANCE ") izao, izay mitsangana ao anatin'ireo sahan'asa samihafa iandraiketanay.
Misy Ambaratonga (na Kilasy) efatra (4) izao Fampianarana atolotray izao, ary ny ambaratonga tsirairay avy indray dia mizara ho Lesona dimy (5). Izany hoe Lesona roapolo (20) izany no nandrafetana azy.
Ny Ambaratonga tsirairay dia samy manana ny lohahevitra izay banjininy, toy izany koa ny Lesona tsirairay.
Toy izao ary ny endrinkendriky ny Fandaharam-pampianarana izay aroso aminao, araka ireo Ambaratonga (na Kilasy) efatra (4) sy ireo Lesona roapolo (20) nizarana azy.
1. Ambaratonga Voalohany : Andeha isika hianatra ny finoana kristiana
Lesona 1 : Inona moa ny Fivavahana Kristiana ? (Sintony :
- Taille : 62 Ko )
Lesona 2 : Ny Soratra Masina
Lesona 3 : Iza moa Andriamanitra ?
Lesona 4 : Tamin'ny Voalohany
Lesona 5 : Ny anjely sy ny devoly
2. Ambaratonga Faharoa : Ny votoatin'ny finoana kristiana
Lesona 1 : Ny fahotantsika sy ny ilantsika famonjena
Lesona 2 : Fahasoavana mahagaga
Lesona 3 : Jesosy Kristy : Andriamanitra sy olombelona
Lesona 4 : Jesosy Kristy : Mpaminany, Mpisoronabe ary Mpanjaka
Lesona 5 : Ny Fanahy Masina
3. Ambaratonga Fahatelo : Velona amin'ny finoana
Lesona 1 : Ny fiainana kristiana
Lesona 2 : Ny kristiana sy ny asa fanompoana
Lesona 3 : Kristiana mahatoky
Lesona 4 : Ireo fiasam-pahasoavana
Lesona 5 : Ny Lalàna sy ny Filazantsara
4. Ambaratonga Faha efatra : Mitombo amin'ny finoana
Lesona 1 : Ny Finoana mahavonjy
Lesona 2 : Fanamarinana amin'ny alàlan'ny finoana
Lesona 3 : Ny famonjena sy ny faharetana amin'ny finoana
Lesona 4 : Fanamasinan-tena : Fiainam-baovao ao amin'i Kristy
Lesona 5 : Ny asa tsara
Toy ny dingam-pampianarana rehetra, isaky ny Lesona dia misy fampianarana atolotray anao, arahina adina izay angatahinay haverinao aty aminay rehefa avy novalianao.
Isaky ny Ambaratongam-pianarana vitanao, dia hisy sertifika (karazana taratasy fanamarinana) atolotra anao.
Enga anie izao fianarana ny Tenin'Andriamanitra hirosoanao izao hampahery ny finoanao, hampitombo ny fahatokisanao ny Tenin'Andriamanitra, dia ny Baiboly, ary hampanolo-tena anao bebe kokoa ho an'Ilay Mpanavotra, dia Jesosy Kristy, Izay Foibe sy Ivon'ny fahamarinana kristiana rehetra.
MIVERINA