Literatiora Kristiana
 
>>>
Lafi-kevitra
 
 

Zarao amin'ny namana (ampidiro ny adiresy e-mail)


Fifandraisana @ mailaka

Ny Feon'ny Filazantsara (FF) dia manolotra anao bokikely maro karazana ao amin'ny sokajy ‘Literatiora Kristiana'.

Ny boky tsirairay dia mamelabelatra loha-hevitra manokana izay hitarihana ny mpamaky hitodika any  amin'Andriamanitra, Ilay Mpahary sy Mpamonjy azy .
Nokendrena hanampy ny mpamaky hiatrika am-pahombiazana ny toe-javatra sarotra sy ny olana eo amin'ny fiainana kristiana.

Misy ireo boky/trakitra izay novokarin'ny FF teto an-toerana, toy ny:

a) Ny Batisa izay nosoratan'ny Pastora RAKOTOARIVONY Stéphenson

Votoatiny: Manambara ny maha-ivon'ny fampianarana Kristiana ny Batisa.

b) Trakitra : Boky kely novokarin'ny FF izay natao ho fampitaovana ny Fiangonana, ampiasain'ireo

mpanantanteraka ny Tafika Masina, ka zaraina ho an'ny olona.
Fanazavana lohahevitra iray ny amin'ny: “ Ataonao ho Iza moa Andriamanitra”

Misy ireo bokikely avy any ivelany:

a) Loha-teny mihoatra ny 50 no azo atolotra anao, amin'ny fiteny Anglisy sy Frantsay. Ny fikendrena

amin'izany fitaovana izany dia ny:

hitaona sy hampitodika ny olona ho amin'Andriamanitra ary hitarika azy ireo ho liana hamaky ny Soratra

masina (Baiboly)

hitaiza sy hampiorina amin'ny Finoana Kristiana

Bebe kokoa (Lisitra)

b) karazana maro samihafa no ho hitanao ao, toy ny:

Fijoroana vavolombelona (fiainana andavanandro)

Fampianarana mifandraika amin'ny lafim-piainana  andavanandro samihafa no sady mivantana, tarafina amin'izay ambaran'ny Soratra Masina (Baiboly). Ohatra : Ahoana ny fampiharana ny rariny sy hitsiny eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra.   

Famakafakana ny finoana (miainga amin'ny lohahevitra)

Azonao vidina na hafarana mivantana ireo; azonao atao koa ny mindrana izany.

Misy boky sasantsasany izay efa azonao sintonina ato ("Téléchargeable")

Bebe kokoa (lisitra)

Raha toa ka tianao ny hampivelatra izany famakiana ny boky izany any amin'ny sehatra misy anao, dia misy fomba azo atao hanatanterahana izany fampivelarana ny asa izany.

 

 


Laharana fahasivy - May 2008
Laharana fahavalo - Janoary 2008

 

 

 

 
Contact | Téléphone : +261 20 22 210 42| Email : lhmmad@netclub.mg
Bureau : II-V 72 bis Ampandrana - BP 3111 - 101- Antananarivo - MADAGASCAR - -© LHM Madagascar - 2008