Lafi-kevitra

|
Tetik’ady (‘Strategie’)
Hevi-dehibe roa no mandrafitra ny tetik’ady izay irin’ny Feon’ny Filazantsara hatsangana isan-toerana, miaraka amin’ireo Fiangonana izay maniry izany :
|
voalohany, dia ny hananganana fiaraha-miasa na koa fiaraha-miombon’antoka (‘partenariat’) amin’ny Fiangonana liana amin’izany (antsoina hoe ‘Fiangonana mpiara-miasa’) |
|
ary faharoa, ho fanombohana izany fiaraha-miasa izany, dia ny hitondrana fanampi-piofanana ho an’ny loholom-piangonana amin’ireny Fiangonana mpiara-miasa ireny, mba hahazoany miatrika antsakany sy andavany ny asa Fitoriana ny Filazantsara izay ataon’ny Fiangonana izay nametrahan’ny Tompo azy. |
Mikasika manokana ny Fiaraha-miasa izay hatsangana amin’ny Fiangonana, dia mifototra amina programan’asa mazava mandritra ny fe-potoana maharitra izany (ohatra : herintaona), izay lanieran’ny roa tonta ny hanatanterahana azy, ka samy mitondra isam-potoana ny ho enti-manana izay nifanarahana ny tsirairay; ny zava-dehibe dia ny hahatanterahan’ny programan’asa izay notapahina ary ny hampahomby izany, mba hisian’ny vokatra, araka izay omen’ny Tompo, dia olona maro indrindra handre ny Filazantsara ka hiditra ary ho tamana ao amin’ny Fiangonana.
|