| IREO DATY RAIKETINA HO TANTARA 29 Okt 1999 : Nosoniavin'i Past. RABENOROLAHY Benjamin, Filohan'ny FLM (tamin'izay fotoana izay) sy Rev. Walt Winters, Talen'ny Lutheran Hour Ministries' (LHM) - Etazonia ny Fifanekem-piaraha-miasa eo amin'ny roa tonta, hananganana ny LHM – Madagasikara izay lasa Feon'ny Filazantsara (FF) taty aoriana.
16 Des 1999 : Nivory voalohany ny Filan-kevim-pitantanan'ny LHM – Madagasikara, natrehin'ny solontenan'ny LHM sy ny Birao Foibe FLM. Tamin'izay no nanomezan'ny Birao Foibe FLM azy ny anarana hoe ‘Feon'ny Filazantsara'. Lany ho Filohan'ny Filan-kevim-pitantanan'ny FF voalohany Atoa ANDREAS Richard, ary Atoa ANDRIANASOLO Jaona no voatendry ho Talen'ny FF.
3 Jan 2000 : Nanomboka nametraka ireo sehatr'asa rehetra izay iandraiketany ny FF, ka ny ‘Cours Biblique par Correspondance' no nanombohany izany.
13-14 Mey 2000 : Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FF, fotoan-dehibe notarihan'i Past. Dr RAKOTO Endor Modeste, Filoha lefitry ny FLM (tamin'izay fotoana izay) natrehin'ireo solontenan'ny LHM avy any Etazonia, natao tao amin'ny Foiben-toerana Antsakaviro sy tao amin'ny FLM Toby Fanantenana 67 Ha .
21 Jan 2002 : Nomen'ny Fanjakana Malagasy (Ministeran'ny Raharaham-bahiny) alàlana hanana Foiben-toerana eto Madagasikara ny LHM (antsoina hoe ‘Accord de siège'), ka ny Feon'ny Filazantsara no masoivohon'ny LHM amin'izany.
17 Jona 2006 : Notokanan' i Past. SAMOELA Georges (Tonian'ny FLM) sy Dr MENKIR Esayas (Mpanolo-tsaina ao amin'ny LHM any Etazonia, miandraikitra ny faritra Afrika sy Moyen Orient) ny Foiben-toerana vaovao sy maharitry ny FF ao Bel Air – Ampandrana, Antananarivo.
|