ANTSO FANGATAHANA FAMPITAOVANA BAIBOLY SY BAIBOLY
 
>>>

Tatitra fohy mikasika ny Cours Biblique par Correspondance na Kilasy Fianarana Baiboly ara-Pifandraisana (KFBP) :

Lesona mivantana any an-tokantrano amin’ny alalan’ny Paositra, no fitaovana ampiasaina eto, ka ny olona tsirairay no manao izany amin’ny fotoana mampalalaka azy. Ny foto-kevitra dia ny hitomboana amin’ny fahalalana tsara an’i Kristy, sy ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra.
Aman’arivony maro amin’izao ny mpianatra ireo mpianatra nisoratra anarana manerana ny nosy, misy ihany koa any am-pitandranomasina. Tarehimarika vitsivitsy (2000-2007) :
- 17.000 : tontalin’isan’ny mpianatra nisoratra anarana
- Fiangonana sy ivonteram-panabeazana miisa mihoatra ny 300 no misy ireo mpianatra
- Fitsinjarana samihafa (ara-jeografia, ara-piangonana, sns.)

Tsiahy mikasika ny Tafika Masina:

Izay hampivelatra sy hampahomby bebe kokoa ny asa Tafika Masina sy Famangiana samihafa (hopitaly, Fonja, sns.) izay efa ataon’ny Fiangonana rahateo no fikendren’ity sehatr’asa ity.
Mikasika ny Tafika Masina manokana, dia ny hanitarana ny asan’ny Fiangonana any amin’ny Saha vaovao no laharam-pahamehana. Ny fananganana fiaraha-miombon’antoka (na’partenariat’) eo amin’ny roa tonta dia mifototra amin’ny programan’asa fitoriana ny Filazantsara matotra sy mazava tsara mandritra ny fotoana maharitra na voafetra tsara (8 na 12 volana). Anterina fa ny Fiangonana no tompon’antoka voalohany amin’ny fanatanterahana ny asa izay hatao, fa fanomezan-tanana ihany no entin’ny FF, araka izay enti-manana eo am-pelatanany.
Miendrika boky (toy ny Baiboly, Fihirana) na trakitra izay azon’ny mpiantafika apetraka amin’ireny toerana maro nanatanterahany ny asa Tafika Masina ireny no isehoan’ny fanomezan-tanana. Atolotra maimaimpoana ny Baiboly sy Fihirana ho an’ireo Fiaraha-mivavaka na Fiangonana vao nisokatra, ary afaka mampitondra boky ireo mpiantafika, izay nivarotra izany tamin’ny vidiny mirary (hatramin’ny antsasa-bidiny). Anisan’ny antoka fa hitohy ny asa izay natomboka isan-toerana , indrindra amin’ny fanarahana ny asa mba hampaharitra ny vokatra eo amin’ny Fiangonana dia ny Fampiofanana izay atolotry ny FF, hetsika maneran-tany ataon’ny LHM amin’ny alalan’ny tetikasa atao hoe “Fampitaovana ny olona masina“; fampiofanana ny loholom-piangoanana no atolotry ny FF, ka ny fikendrena amin’izany dia ny hampahomby kokoa ny fanompoana izay ataony, haharetan’ny vokatra izay azo avy amin’ny Tafika Masina, dia ny hahatamana ny olona ao amin’y Fiangonana.
Fotoam-piofanana miisa 6 toy izany no efa notanterahina hatramin’izay, nahazoan’ny loholom-piangoanana miisa tsy latsaky ny 150 fampiofanana tandrify, mialoha ny nananganana fiaraha-miombon’antoka teo amin’ny FF sy ny Fiangonana tsirairay misy azy avy ireo. Solontenana Fiangonana miisa mihoatra ny 50 avy amina Synoda 5 (SPMa, SPAnta,SPAM, SPAl, SPFT) no nanaraka ireo fotoam-piofanana ireo.

Fikendrena 2007-2008

Toy izao ny tarehimarika izay hohezahintsika hotratrarina mandritra ny herintaona (Jona 2007 – Mey 2008), mba hamatsiana ny tetikasa :
- Baiboly 600 isa
- Fihirana 300 isa, ary
- Testamenta Vaovao 250 isa.

Mazava fa tsy ahasahana manontolo ny filàna izany fa azo lazaina ho ampahany ihany no ho tratra. Mikasa hanatanteraka Fotoam-piofanana 3 amin’ity taom-piasana ity. Fiangonana miisa 20 any ho any no ho voakasik’ izany.

 
Contact | Téléphone : +261 20 22 210 42| Email : info@filazantsara.org
Bureau : II-V 72 bis Ampandrana - BP 3111 - 101- Antananarivo - MADAGASCAR - -© LHM Madagascar - 2006