Ramatoa Isabelle no anarako, renim-pianakaviana, manana zanaka telo mianadahy ary miasa ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana,
Anisan’ny mpianatra izay manaraka ny Kilasy Fianarana Baiboly ara-Pifandraisana.(KFBP) atolotry ny Feon’ny Filazantsara (F.F.) aho satria tsapako fa zava-poana ny fianako raha tsy miaraka amin’Ilay Tompo sy Mpamonjy izay efa naharesy ny fahafatesana ho fanavotana ahy mpanota.
Nandalo tafiotra maro ny fiainako soa fa teo Jesosy Tompo nampahery sy nampitraka hatrany. Resy lahatra noho izany aho fa tokony ho tohanana ny asa Fitoriana ny Filazantsara araka ny voalaza ao amin’ny Marka 16 : 15 « Mandehana…..ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra »
Nanomboka nanentana ny ankohonako sy ny mpiara-miasa amiko mba hanaraka koa ny KFBP atolotry ny F.F.. Tsy mora ny nadresy lahatra ireo mpiara-miasa satria amin’ny maha firenena mahantra an’ny Madagasikara dia be ny olana hatrehin ‘ny tsirairay ka na ny fotoana hianarana aza toa lasa manahirana. Maro anefa no nahatsapa fa ny fitomboana amin’ny fahalalana bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra no tena Fiainana. N’inon’inona lalan-tsarotra lalovana eo amin’ny fiainana dia Izy irery ihany no afaka manome ny fitsaharana sy ny fiadanam-po. Nanomboka nianatra KFPB ny maro. Saingy ny ankohonako, ilay Jerosalemakeliko no tsy nety voataonako. Nalahelo tokoa aho nefa tsy kivy satria misy fotoanany ny zava-drehetra. Tsy nitsahatra ny nitondra am-bavaka azy ireo aho ary nino fa hiasa amin’ny fomba mahagaga ny Tompo.
Herin-taona taty aoriana dia nahazo “Bourse d’Etudes” ho any Maroc mandritra ny dimy taona ilay zanako lahy. Nanomboka ny adi-hevitra tao an-trano : « Maninona raha avela any izany « Bourse » izany , tany Slamo anie Maroc e ! Ataonao ahoana ny hiaina amin’izany ? » niezaka ny nandresy lahatra azy aho tsy handeha. Ny valin-teniny anefa dia tsotra ihany : « Non, izaho handeha ». Dia nangina aho tsy niteny azy intsony.
Nivavaka mangina aho mba hiova hevitra izy satria amin’ny maha reny ny tena dia nanahy be ihany izay ho fiainany any an-tany lavitra any sady amin’izay indray tany Slamo, izy koa mbola tanora rahateo satria vao 18 taona monja.
Dimy andro alohan’ny handaozany an’i Madagasikara anefa dia akory ny hagagako , tena « surprise » be ho ahy fa kay izy nandalo tany amin’ny Foiben’ny F.F. nanambara io diany hianatra any Maroc io ary maniry indrindra ny hanaraka ny Kilasy Fianarana Baiboly ara-Pifandraisana, sady efa azo atao tsara koa ny manaraka izany amin’ny alalan’ny « Internet »
.
Endrey, lehibe tokoa ny Fitiavan’Andriamanitra fa namaly vavaka ahy izy, ary nampiseho ny Voninahiny tamin’ny fotoana mahagaga.
Na dia tsy nanambara ahy mivantana ny antony nandraisany fanampahan-kevitra ny hianarany ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny KFBP aza izy, dia fantatro fa resy lahatra amin’ny Fitiavan’ny Jesosy Kristy Tompo azy dia ny nazahoany « Boure d’Etudes » ary hery sy fiarovana ho azy any an-tany lavitra any ny Tenin’Andriamanitra. Ny tena zava-dehibe koa dia izy nanaiky ny handresy lahatra ireo malagasy mpianatra namany marobe izay nahazo « bourses », mba hanaraka koa ny KFPB amin’ny alalan’ny Internet rehefa any Maroc.
Efa lasa nandao ny firenena izy, tsy nalahelo aho na dia ao aza ilay fon-dreny fa vao maika faly satria afaka ilay adim-panahy lehibe tato anatiko, nahatsiaro ho maivana ny heritreritro. Matoky ny Tompo aho fa ho eo anilany mandrakariva Izy ary homba azy eo amin’ny zava-tsarotra rehetra mety ho diaviny sy ho sedrainy.
SOLOFOMANJATO Andriantsiferana